Vatomandry: Nanimba zavatra sahady ny andro ratsy
22 Febroary, 08h00. Efa hita ho mavesatra sahady ny fiatraikan’ny rivo-doza na dia mbola an-jatony kilaometatra miala ny nosy aza no misy azy. Fefy maro no efa nirodana tao Vatomandry androany maraina. Manomboka miakatra ihany koa ny rano. Mbola mitohy ny rotsak’orana arahan-drivotra mifofofofo any an-toerana, izay efa nanomboka alina.
