Lalaon’ny Nosy: Hisitraka tohana ara-olombelona ihany koa ho an’ireo atleta
Dépêche 17 mai, 11h, Tsy tohana ara-pitaovana irery ihany no hatolotra ireo atleta handray anjara amin’ny Lalaon’ny Nosy. Hanana mpanazatra teratany sinoa ihany koa izy ireo atsy ho atsy. Ny fiandohan’ny herinandro dia notolorana fitaoavana afaka hampiasaina hanazaran-tena ireo atleta. Afaka iray volana dia ho tonga ihany koa ireo mpanazatra Sinoa hanampy azy ireo. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fifanarahana ara-panatanjahantena eo amin’ny firenena roa izay efa nisy hatramin’izay. Hanampy ara-teknika ireo atleta moa no tena antom-pisian’ireo mpanazatra ireo.
