Dépêches

Madagascar Oil : Vina fitrandrahana solitany

Hiroso bebe kokoa amin’izany amin’ny dingana fanomanana mitondra mankamin’ny fitrandrahana solitany, heverina ho 8 000 barila isan’andro amin’ny dingana voalohany (Phase I), ry zareo ao amin’ny Madagascar Oil taorian’ny fahavitan’ny fanarenan_drafitra ara-bola nolalovan’ity orinasa ity herintaona izay raha ny vaovao azo. Neken’ny fitsarana any Bermudes izay misy ny foiben-toeran’ny mpiray anto-bola ny tolotra fanarenan-drafitra ara-bola nentiny, ary naneho fahavononana hanohona ara-bola hatramin’ny 250 tapitrisa dolara rahateo koa ny banky anglisy sy amerikana maro hoentina hitrandrahana ny solitany amin’izany dingana voalohany izany. Etsy an-daniny manohy tsy anki-janona ny famatsiana ny orinasa tsy miankina mpanjifa eto an-toerana i Madagascar Oil.

Laisser un commentaire