Dépêches

Analamanga: Miteraka asa ho an’ny vahoaka madinika ny fiakaran’ny rano

19 Janoary, 10h00. Maro mahita tombon-tsoa amin’ny fiakaran’ny rano nanomboka omaly 18 janoary. Ao ireo posy, sarety ary bisikileta mikarana mampita olona ny ranobe eto Analamanga indrindra ao an-drenivohitra. Manomboka amin’ny 300 ar ny saran-dàlana raha miampita toerana faran’izay akaiky ny olona iray mandeha bisikileta. Manomboka amin’ny 500 ar kosa izany ho an’ny posy sy ny sarety. Miakatra arakarakin’ny halaviran-dàlana sy ny entana kosa izany saram-pitaterana izany.
Misy ihany koa ireo olona mikarama mibaby amin’ny toerana dibo-drano tsy afaka andehanan’ireo fitaovam-pitanterana ireo. 500 ar izao no miampita ny elanelan-trano mampitohy an’i Mahamasina sy Andrefan’ambohijanahary. 

Laisser un commentaire