ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nanampy ireo niharan’ny fahavoazana noho ny rotsak’orana ny kaominina

Tapaka tanteraka ny lalana ao Ambatomitsangana Ankadikely Ilafy Avaradrano noho ny rotsak’orana be loatra. Nitsidika ireo tokantrano tra-boina miisa 6 ny Ben’ny tanàna. “Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nidina teny ifotony ny Ben’ny Tanana sy ny ekipa. Nijery ny fahavoazana ary niroso avy hatrany amin’ny fanamboarana izy ireo” hoy i Lanto, mponina ao Ankadikely Ilafy. “Tokantrano miisa 6 no tra-boina. Nirodana ny trano fonenan’izy ireo teto amin’ny Fokontany Manjaka” hoy ny sefom-pokontany ao Manjaka. “Mila mitandrina sy mailo amin’ny mety ho fiakaran’ny rano isika. Mbola hitohy hatrany manko ny rotsak’orana” hoy ny Ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy. Miara-miezaka ho ami’nny fampandrosoana ny rehetra. Ny fiaraha-mientana manoloana ny voina toy izany no tena andrasana amintsika, manampy araka izay vita sy tratra. Tsy ny mpitondra ny tanàna ihany akory fa manana andraikitra lehibe amin’ny mpiray tanindrazana ihany koa ny tsirairay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire