ActualitésTsidika

Fitokanana ny EPP Manara-penitra ao Amborovy Mahajanga

Ao anatin’ny fitsidiham-paritra tanteraka ny Filoham-pirenena nanomboka omaly 30 may ary any amin’iny faritra Mahajanga iny no anatanerahany izany. Ao anatin’ny fiverenana tsikelikely amin’ny fiainana andavan’andro anefa isika eto Madagasikara izao ary voakasika ao anatin’izany indrindra ny fiverenana an-tsekoly ho an’ireo mpianatra rehetra manerana ny nosy. Ao anatin’izay resaka fampianarana izay, notokanan’ny filoham-pirenena nandritra ny fandalovany tany Mahanjaga androany 31 may ny EPP Manara-penitra ao Amborovy sy fanolorana “tablette” sy kapa ho an’ireo mpianatra. Efa mandroso tsikelikely any amin’ny tontolon’ny ampitain-davitra sy ny teknolojia ny ankamaroan’ny fampianarana ankehitriny ka anisan’ireo nisitraka ireo fitaovana ampiasaina amin’izany ireo ankizy any amin’ny ambaratonga fototra ao amin’ny EPP Amborovy. Tena izany ve no ilain’ireo mpianatra any amin’ny EPP amin’izao fotoana? Ekena mandroso ny teknolojia saingy ireo ankizy mbola vao manomboka mampiasa saina koa ve voakasik’izany ? Ovaina tanteraka ny rafim-pampianarana eto Madagasikara ka efa ho atao amin’ny alalan’ny solosaina sy “tablette” avokoa angaha ny fampianarana na ho an’ireo any amin’ny ambaratonga fototra aza.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire