ActualitésTatitra

La Réunion : Manintona ny tanora ao amin’ny nosy ny asa manodidina ny angovo azo avy amin’ny masoandro

Nisy fiofanana nianarana ny fomba fametrahana sy fikojakojana ny « panneaux solaire » sy « photovoltaïque » novolavolain’ny AFPAR tao La Réunion. Tanora am-polony no tonga mavitrika tamin’io fianarana tao Saint-Paul io. Sehatra iray heverina fa hanohana ny fampiroboroboana ny toearena « porteur » ao amin’ny nosy ny fampiasana ny angovo azo avy amin’ny masoandro hoy ny tompon’andraikitra manoloana ny fidangan’ny vidin’ny angovo.

Nanamafy ny filohan’ny AFPAR, Karine Nabenesa fa mifanaraka tanteraka amin’ny toe-tany misy ao an-toerana ny fampiasana ny angovo azo avy amin’ny masoandro. Nilaza kosa ny tale jeneralin’ny AFPAR, Frédéric Dijoux fa hotohizana ao anatain’ny telo volana ny hetsika fampianarana.

Laisser un commentaire