Fanodikodinana zaza tsy ampy taona
31 Aogositra, 08:00. Natolotra ny fampanoavana ny 30 aogositra teo ny tovolahy iray 22 taona nitondra zazavavy 16 taona nandositra tany Dango Faratsiho ny 19 Aogositra lasa teo. Mpisakaiza izy 2 nanomboka ny volana Aogositra 2020, saingy tsy miaraka intsony. « Tsy tia azy aho, izany no efa nisarahanay. 4 no fitambaran’ny firaisana vitanay hatramin’izao. Tsy nisy sitrapoko tompoko ireo firaisana nataony tamiko fa notereny aho » hoy ilay tovovavy. Etsy an-kilany, ilay tovolahy milaza fa tsy nanery azy fa izy no niteny hoe andao hanao firaisana.
