Ambohimangakely : Mampikaikaika ny olona ny tapa-dalana ataon’ny taxi-be
Mitaraina ny amin’ny ataon’ireo mpitatitra ny vahoaka any Sabotsy Namehana sy Ambohimangakely, indrindra amin’ny fanaovan’izy ireo ny fihodinana an-dalana. Mangataka fanaraha-maso avy amin’ireo tompon’andraikitra ny mponina any an-toerana satria ny vahoaka mila fiara mpitatitra ; ary ireo mpamily koa mila mpandeha.
« Manakona ny takelam-pamatarana ny zotra ny bus Ambatofotsy dia milaza fa tsy tonga any Sabotsy nefa mampiakatra olona ihany avy eo fa ianao asainy miala na asainy mandoa saran-dalana vaovao indray, te haka saran-dalana indroa fotsiny amin’ny dia iray » hoy i Celestine, mponina any Sabotsy Namehana. « Zotra tsy misy lohany toy ny biby tsy manan-doha ny makaty Ambohimangakely, ny Ben’ny tanàna aza mamoaka lalàna tsy rarahian’ny mpitatitra koa inona izay isika vahoaka tsotra kanefa antoky ny fivelomany » hoy i Christian, avy any Ambohimangakely. « Na aiza sehatra na aiza sehatra, tokony hisy foana ny fifanajana mba hisian’ny firindrana, fa tsindriko manokana ny any anaty fiara fitateram-bahoaka, mifampiankina ny mpandeha sy ny mpamily satria ny mpamily mitatitra ny vahoaka ary ny vahoaka no miantoka ny vola ho an’ny mpamily » hoy i Clarisse, mpandinika fiarahamonina.
Olana manerana ny fiara mpitatitra betsaka mihitsy ny tahaka izao, aoka tsy hisy ny fanararaotana ataon’ny mpitatitra indrindra rehefa amin’ny hariva ary tokony handray andraikitra sy hirotsaka an-tsehatra ihany koa ny fanjakana amin’ny fiarovana ny zon’ny mpandeha. Rahoviana vao ho foana ny tsindrio fa lavo eto amintsika ?
Nicole Rafalimananjara
