Avy aiza no niavina’ilay teny hoe « Andrononobe » ?
Fokontany iray ao anatin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy, Distrikan’Antananarivo Avaradrano no misy an’Andrononobe, izay manana velarantany 1,38 Km2.
Miisa 12 229 ny mponina ao amin’ity Fokontany iray ity izay manana vakimparitra telo : I AB, II AB, III AB. Ambohidronono no niantsoana azy tany am-piandoahana saingy rehefa ho any Ambohitrarahaba ny mpanajaka Andrianampoinimerina dia naka aina tao amin’ity toerana ity ka nitady rano hanasana ny tongony sy ho sotroina. « Nisy rano be tao Ambohidronono dia nosoloiny Andranobe indray ny anaran’ilay tanàna ary noho izy fiatohan’ny andriana hakana aina kosa dia novaina hoe Andriamiato indray » hoy i Augustin, mpahay tantara.
Mbola mponina vitsy no tao an-toerana tamin’izany ka nandray sy nanome ronono ny mpanjaka izay maka aina tao ary noho ny fisitrahan’ny mpanjaka izany fandraisana azy izany indray dia novaina hoa Andrononobe ny anaran’ny toerana. « Misy anarana mipetraka kely toy izay avokoa manerana ny vakimparitra eto, toy ny « Ambohiberonono », « Ambohidronono izay samy nisy antony avokoa ny antony namoronana ny anarany » hoy i Randrianarimanana Jean Charles, sefo fokontany ao Andrononobe. « Tanàna mahafinaritra sy maha te honina Andrononobe ary efa nampiavakla ny mponina hatramin’izay mihitsy ny fahaizana mandray ny vahiny » hoy i Esther, mponina ao an-toerana. Mirakitra tantara maro ity Fokontany iray ity, izay loharano nipoiran’ny famoronana ny anaran’ireo tanàna.
Nicole Rafalimananjara
