Nianjera avy teny amin’ny tetezana ny fiara tsimataho-dalana an’ny depiote an’Analalava
Raha ny loharanom-baovao azo dia latsaka teo amin’ny tetezana mampitohy an’Angoaka sud sy Mahadrodroka ny fiara nitondra ny depiote an’Analalava Djaosera Irenée. Tsy nisy ny aina nafoy ary tsy nisy naratra mafy ihany koa.
Raha tsiahivina ny tantara dia misy ny diabe ataon’ireo Delegasiona tarihin’ny depiote Djaosera ary mitety ny tananan’Analalava izy ireo ary misy ny lohahevitra iaingana hoe « fanjakana mamaha olana » ; hita ho tsy nakasitraka izany anefa ireo vahoaka tao an-toerana ary efa naneho ny fitarainana. Tsy nahasakana ny depiote tsy hanantateraka ny fitsidiham-paritra anefa izany ary mitohy hatrany ny fanantaterahana an’izany.
« Efa nisy fahasimbana ihany teo amin’io tetezana io ary mety ho tsy zakany ilay fiara ka izay no niteraka ny fianjeràna, tsy nisy ny naratra mafy ary tsy nisy koa ny aina nafo ka izay no anisany isaorana an’Andriamanitra » hoy ny solon-tenan’ny delegasiona nandeha tany.
« Mampieritreritra ihany ny fisiana tranga toy izao ary mahagaga ihany satria tsy nankasitrahan’ny vahoaka ity hetsika nataon’ity depiote ity ka izao izy tratra ny lozam-pifamoivoizana izao, io no ilaina ny fihainoana ny vahoaka mba tsy hisian’ny ahiahy hoe sao de nisy nisompatra sanatria, fa isaorana an’Andriamnitra aloha rehefa tsy nisy naratra ary tsy nisy maty, ka ny fitandremana koa no mila atao ihany amin’ny sisa » hoy kosa i Alphonse mpamakafaka ara-politika.
Ilàna fahamatorana ny zavatra atao indrindra ho an’ireo mpitantana, fa tsy sanatria hoe ireo tokony hisolo vava ny vahoka indray no zary hisolon’ny vahoaka vava noho tsy mety ataony. Mirary soa ho an’ny Depiote Djaosera hatrany anefa mba tsy hiharan’ny loza toy izany intsony.
Lovasoa Tojonirina
