Fikambanana iraisam-pirenena : Manaramaso ny ady amin’ny kolikoly
Nomen’ny lalàna fahefana manokana hanao fanadihadihana ny tranga misy kolikoly na ny fandikan-dalàna mitovy aminy ny BIANCO. Ny andininy faha 23 amin’ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly no mamaritra izany fahefana izany. Miainga amin’ny fitarainana no hanaovan’izy ireo ny fanadihadihana.
Maro amin’ny Malagasy nefa no tsy manantona azy ireo amin’ny trangan’kolikoly izay hitany.Antony tsy hanatonan’ny oloana ity sampan-draharaha ity ny fahamaikana hahavita ny taratasy sy ny zavatra maro ilaina.Voatery manaiky tsy fidiny ny ankamaroan’ny vahoaka. Ilaina ny fanaraha-maso eny anivon’ny sampam-panjakana isan-tokony. Eto an-toerana amin’izao ny delegasionin’ny firenena mikambana manaramaso ny fivoaran’ny ady amin’ny kolikoly. Misy arak’izany ny fanentanana karakarain’ny eo anivon’ny Cellule Anti-Corruption mba ho fampandrosoana ny sehatra rehetra eto Madagasikara.
Fanilo Rarivoarilala
