Vonona hiara-hiasa amin’i Madagasikara i Suisse
Ny fahasalamana no voalohan-karena ary rehefa manana vahoaka salama ny firenena iray dia tonga ho azy ny fandrosoan’izany firenena izany. Na dia izany aza anefa dia mbola ao anaty ny ady hisorohana ny mety ho fihanaky ny COVID-19 hatrany ny firenena maneran-tany amin’izao ary ireo izay afaka manampy no manohana ny firenena hafa. Anisan’izany i Madagasikara sy I Suisse izay nifanampy nandritra iny fihanaky ny tsimokaretina tany Toamasina sy Moramanga iny. Ary mbola hitohy hatrany ny fiaraha-miasa amin’izy ireo raha nanantona ny Ministeran’ny Fahasalam-Bahoaka mihitsy ny masoivohon’i Suisse eto Madagasikara omaly Alatsinainy 8 febroary, niarahaba tratry ny taona sy nanolotra fiaraha-miasa. Ary nambarany tamin’izany fa vonona hanampy ny any Atsimo dia i Anosy sy Androy amin’ny fiadiana io valan’aretina io izy ireo. Tsara tokoa ny misoroka toy izay mitsabo satria mila tsinjovina ny ho avy na dia mbola tsy vitsy aza ny trangana COVID-19 any amin’ireo faritra ireo.
Nicole Rafalimananjara
