ActualitésTatitra

Kenya : Polisy iray namono olona enina alohan’ny namonoany tena

Polisy iray no namono tena tamin’ny basiny tao amin’ny tanànan’i Nairobi ao Kenya. Namono olona 6 izy talohan’izany, izay ny vadiny no iray, hoy ny lehiben’ny polisy tao an-toerana, Francis Wahome. Notifiriny teo amin’ny tendany io vadiny io.Mbola tsy fantatra kosa hoy izy no nahatonga io polisy io nanao izany fihetsika izany saingy niady lava kosa ireto mpivady ireto hoy ireo manodidina azy ireo ary nanamafy izany io lehiben’ny polisy io. Niteraka fikorontanana tao amin’ny tànana kosa io tranga io, ary nidina an-dàlam-be nandrehitra kodiarana ireo mpiray vodirindrina tamin’izy mivady.

Laisser un commentaire