Etats-Unis : Tsy maintsy manao vaksiny ireo sehatra tsy miankina rehetra ao New York
Mihamafy ny fepetra hiadiana amin’ny valan’aretina covid-19 ao New York. Nandidy ny tsy maintsy hanaovan’ireo mpiasa rehetra amin’ny sehatra tsy miankina ny ben’ny tànana Bill de Blasio ny 8 desambra teo. Hihatra manomboka ny 27 desambra izao izany fepetra izany.Orinasa 184 000 kosa no voakasik’io fepetra io ao an-toerana. Raha tsiahivina dia efa nametraka izany didy izany ho an’ireo mpiasam-panjakana rehetra izy ny 1 novambra teo. Nilaza nefa ireo mponina izany fa mety tsy haharitra izany fampahan-kevitra izany noho ity ben’ny tànana ity efa hosoloin’i Eric Adams izay voafidy ny 2 novambra teo.
