France : Lehilahy mpamono olona iray nofandrihina zatovo 15 taona
Tovolahy 15 taona iray monina ao Arsac-en-Velay no namandrika « pédocriminel » iray tamin’ny tambajotra sosialy. Namorona kaontina zazalahy 10 taona tao amin’ny tambajotra Tchat izy ary niresaka tamina lehilahy lehibe iray 60 taona. Nitory fitiavana tamin’ity kaonty tsy tena izy ity io rangahy io ary nanagataka fihaonana taminy.Noraiketin’ity tovolahy ity am-peo nefa ny antso nataon’io lehilahy io ary nentiny tao amin’ny biraon’ny polisy tao Haute-Loire. Hitan’ny polisy tamin’ny alalan’ny « adresse IP » avy hatrany moa ity lehilahy ity ary fantatra fa efa nanao herisetra ara-nofo tamin’ny zaza tsy ampy taona sy efa niditra am-ponja im-betsaka hatramin’ny taona 1994. Noheloin’ny tribonalin’ny Puy-en-Velay higadra fito taona izy ny 2 desambra teo.
