ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Mbola misy ny covid-19 ka mila miaro tena hatrany ireo mponina

Tsy mitsahatra manentana ireo mponina hatrany ankehitriny ny ao amin’ny kaominina Ambohimanambola mba hitandrina manoloana ny mety ho fiparitahan’ny aretina covid-19 izay mbola tsy maty eto amintsika. Ny vahoaka salama tokoa mantsy no antoky ny fampandrosoana, ka raha io resaka fahasalamana io no mikatso dia mikatso manaraka izay ihany koa ny firenena.

« Entanina hatrany isika hanaja ireo fihetsika sakana hiarovan-tena amin’ny coronavirus toy ny fanaovana arotava sy ny fanasan-tanana matetika indrindra indrindra satria ny mponina salama no tena tanjona » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohimanambola. « Efa manomboka tsy miraraha intsony ny olona amin’izao fotoana izao, kanefa ny aretina tsy mbola lefy akory. Tsara ny misoroka noho ny mitsabo, sady efa iiaraha-mahalala ny fahasahiranana amin’ny fitsaboana izany eto amintsika. Ny tena tsara aza dia ny fanaovam-baksiny » hoy ny mpitsabo ao amin’ny CSB Ambohimanambola. « Ilay andro koa efa mafana ka manomboka tsy misy tahotra intsony ny vahoaka kanefa tsy misy mafana mihoatra an’i Morondava anie fa saingy any aza no tena mihombo sy mitombo be ny tahan’ireo marary » hoy i Ando, mpianatra ho dokotera eny amin’ny Anjerimanontolo.

Miverina amin’ny andavanandrom-piainany tokoa ny olona ankehitriny, hita fa tsy misy tahotra ny aretina intsony eny amin’ny ankamaroan’ny mponina saingy na izany aza mila malina mandrakariva isika satria tsy voafehy ny fihibohana raha hiverina amin’izay indray noho isika mbola marefo ara-toe-karena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire