SocialTsidika

Ady amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana : Nametraka ny vidin’ny PPN ny Ministra ny indostria sy ny varotra

Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina ny alakamisy 26 Aogositra 2021no nametrahan’ny Ministra ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary fanjifana, Edgard Razafindravahy, ny vidin’entana ilaina andavanandro (PPN) izay vokarina eto an-toerana.

Efa napetraka ny vidin’entana. Raha ny nambaran’ny ministra, malalaka ireo mpivarotra amin’ny fametrahana ny vidin’entana fa tsy tokony hihoatra ny vidiny mandritra ny enim-bolana napetraky ny Ministera izany. Araka izany ny vidin’ny menaka «huile de palm» vokarina eto an-toerana, tsy mahazo mihoatra ny 6 000 Ariary ny litatra. Hoan’ny «huile de soja», tsy tokony hihoatra ny 7 000 Ariary amin’ny famarotana azy antsinjarany ary raha «cachet» kosa dia tsy tokony hihoatra ny 7500Ariary ny litatra. Hoan’ny siramamy sy ny lafarina tsy tokony hihoatra ny 2 600 Ariary ny kilaony. Ary hoan’ny vary vokarina eto an-toerana kosa, tsy tokony hihoatra ny 2 300 Ariary izany. Napetraka ireo vidin’entana ireo tao aorian’ny fidinana nataon’ny ekipan’ny ministera ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra amin’ny fanaraha-maso ny vokatra.

Nandritra ny herinandro iray no nihaonan’i Edgard Razafindravahy sy ny ekipany ireo mpamboly vary tao ao Alaotra-Mangoro, Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Niara-nidinika tamin’ireo mpisehatra ara-barotra momba ny PPN ihany koa ny tenany tamin’izany. Etsy andanin’izay, natokana hoan’ireo entana sy vokatra vokarina eto an-toerana ihany anefa ireo vidin’entana napetraka. Hoan’ireo vokatra nafarana kosa, nanambara ny Ministra fa mbola hisy ny fihaonana hifanakalozana amin’ireo mpisehatra amin’ny fanafarana PPN. Ny tanjona moa raha ny nambarany dia ahitana marimaritra hiraisana eo amin’ny vidin’entana. Hoan’ny Ministra Edgard Razafindravahy, tsy mitsabaka eo amin’ny resaka tsena ny fanjakana fa ny hiady amin’ny fanararaotana no tena himasoiny.

Raha tsiahivina, nanameloka ireo mpanararaotra amin’ny fampiakarana ny vidin’entana ny Filoham-pirenena tamin’ny laha-teny farany nataony ny 15andro lasa. Ireo mpanararaotra ireo hoy izy no antony voalohany mahatonga ny fiakaran’ny vidin’entana. Ny volana Jolay lasa teo, efa tafakatra hatrany amin’ny 2 800 Ariary ny vidin’ny vary vokarina eto an-toerana, ny siramamy tafakatra 3 000 Ariary ny kilao raha 7 400Ariary ny litatra ny menaka.

Irariana mba tena ho hampiarina tokoa ny fanapahan-kevitra noraisina ary hisy sazy hoan’ireo izay tsy manaraka izany ho fitsinjovana ny vahoaka.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire