ActualitésTsidika

May ny fivarotana teny Atsinanantsena, Sabotsy Namehana

May kila ny trano fivarotana maro teny Atsinanantsena, Sabotsy Namehana ny 26 aogositra lasa teo. Nampalahelo ny zava-nitranga satria nahery ny firehetana ka tsy hita izay natao afatsy nitzam-potsiny. «Tena nahery ny afo ka natahotra ny ainay ihany koa izahay, hany ka nitazam-pitsony sisa azo atao» hoy i Christian, mponina teny amin’ny manodidina.

«Fanahy iniana no sady sotasota fotsiny amin’izao no anton’ny fahamaizana saingy tsy fantatra mazava ny atidoha nikotrika izao zava-doza eo amin’ny toerana sy eo amin’ny tontolo iainana izao» hoy ny sefo Fokontany tany an-toerana. «Ny ataontsika ihany no hozakantsika any aoriana, tadidio fa rehefa mandoro tanety dia mandoro tanindrazana, manimba ny fiveloman’ny hafa ka manimba ny firenena ihany koa» hoy i Ando, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo mikasika ny tontolo iainana. Fa inona loatra no antony nandorana azy ?

Mila mirotsaka an-tsehatra ny amin’ny fandraisana andraikitra ny fikarohana ny ambadik’izao ny mpiaro ny tontolo iainana indrindra ny Ministera tahaka ny natao tany amin’ny toeran-kafa izay nahitana mpandoro tanety. Tsy tokony ho afa-maina izay manakana antsika tsy handroso.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire