ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Tokantrano 200 no nisitraka fatana maimaimpoana

Tokantrano miisa 200 ao amin’ny fokontany Belanitra sy Antsahamarofoza no notolorana « fatana mitsitsy » mampiasa kitay na taimbakona tamin’ny asabotsy teo. Efa maro ireo fanampiana nisy teo aloha hoy i Faneva, mponina any an-toerana.

Ho fanentanana sy ho fanamafisana ny ezaka ataon’ireo mponina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana moa no anton’izao fanomezana izao. Ny hampihena ny fampiasana ny arina (charbon) no tanjona amin’izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy sy ny fikambanana Iceberg, izay misehatra eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny manodidina, no nahatontosana izany hetsika izany.

Marihina fa fanombohana ihany ny hetsika izay natao ny sabotsy lasa teo fa ny hetsika dia hitohy amin’ireo fokontany hafa ao anatin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy ihany koa. Isaorana hatrany, ary isaorana sahady ihany koa, ireo mikarakara ny hetsika.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire