SocialTsidika

Hetsika famonoana alika mirenireny.

Nanatontosa hetsika famonoana alika mireninreny ny mponina tao Madirovalo Ambatoboeny ny Alarobia teo. Izany moa dia niarahan’izy ireo niasa tamin’ny veterinera tao an-toerana. “Natao izao mba ho fiarovana amin’ny haromontana” araka ny fanazavan’izy ireo. Nanamafy ny ben’ny tanàna fa efa nisy nokakerin’ny alika romotra tao an-toerana ka vao maika naha risika azy ireo.

Ireo alika nirenireny manodidina ny bazary no tena voakasika nandritra ity hetsika andiany voalohany ity. Araka ny nambaran’izy ireo mantsy dia tsy hijanona eo ity asa ity fa mbola ho tohizana. Nahaontsa olona maro ao amin’ny tamba-jotra-tserasera Facebook ny fiparitahan’ny sarin’ireto alika novonoina efa miisa 104 ireto. Raha ny fanehoan-kevitr’izy ireo dia “tsy rariny izany, samy mitandrina ny tenany fotsiny fa tsy ny biby no atao an’izao”. Misy ihany koa anefa ny nankasitraka izany.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire