Fanohanana ireo vehivavy any Toamasina
Efa vita iny ny hetsika fanohanana ny vehivavy sy ny manana fahasembanana teto Antananarivo sy Fenoarivo Atsinanana. Tsy natao am-bakan’izany ireo vehivavy ao Toamasina. Hamokatra arovava orona ny vehivavy miisa 50 notsongaina ary miisa 2000 isan’andro no ho ataon’izy ireo amin’izany mandritra ny 20 andro nanomboka ny Alakamisy 13 May lasa teo. Milina fanjairana 15 isa avy amin’ny Minisiteran’ny mponina no fanampin’ny fitaovana amin’izany. Ity no fisantarana ho an’ny faritra Atsinanana izay natao any Toamasina fa mbola hiparitaka manerana ny Distrika maro any an-toerana. Maro ny tombony azon’ireto fikambanam-behivavy sy tra-pahasembanana ireto amin’izany toy ny traikefa marobe ao amin’ny sehatra mba hivelaran’izy ireo ao aoriana. Mandritra izany indrindra no nanentanan’ny mpanolo-tsaina Teknika ny Minisiteran’ny mponina, Davy Romaric Todizaka, an’ireo orinasa mba hanjifa ireto vokatra havoakan’izy ireto, hivadika vola hanampiana ireto vehivavy sy manana fahasembanana ireto. Isan’ny programan’ny fanjakana amin’ny alalàn’ny Minisiteran’ny mponina izao atao izao. Tsy fanaovana arovava ihany akory no mety traikefa azon’ireto mpandray anjara ireto amin’izany fa mikasika ny zaitra rehetra mihitsy raha trandrahana sy halalinina tsara. Manao ahoana indray anefa ny sehatry ny zaitra eto amintsika manoloana ireo orinasa afakaba efa nijoro ?
Nicole RAFALIMANANJARA
