ActualitésTsidika

Fihariana : Tomefy olona ireo fampiofanana nokarakaraina momba ny fandraharahana

Tontosa tamin’ny herinandro teo ny fiofanana izay nokarakarain’ny Fihariana, mahakasika ny fandraharahana. Saika tomefy olona avokoa ireo fampiofanana, izay natao nandritra ny herinandro, raha ny voalaza.

« Ny fahamaroan’ny mpanatrika tahak’izao no manaporofo fa betsaka ny olona maniry ny hampitombo fahalalana sy traikefa ahafahan’izy ireo miroso amin’ny asa fandraharahana matihanina. Ny Fihariana rahateo dia miezaka hatrany manohana ireo mpitondra tetikasa malagasy, tsy amin’ny alalan’ny tohana ara-bola ihany fa amin’ny alalan’ireo loha-hevim-pampiofanana maro samihafa » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Fihariana.

« Ny tanjona moa dia ny hamolavola ny toetsain’ireo mpitondra tetikasa malagasy hanana kolotsaina fandraharahana na ilay antsoina hoe « culture entrepreneuriale » mba ahaizany mandray fanapahan-kevitra sy miatrika ireo karazana sedra rehetra misy eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ka ahafahana miantoka ny fahombiazan’ny tetikasan’izy ireo » hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina fa ity tetik’asa fihariana ity moa dia fandaharan’asa izay novolavolaina mba hahafahana manampy sy manohana ireo te ho mpandraharaha malagasy, ary hampiroborobo izay sehatr’asa misy ihany koa.

Manitra R.

Laisser un commentaire