Comores : Hanomboka ny volana martsa izao ny fiadiana ho tompondakan’ny Taekwondo
Manoloana ny fihaterahana ny lalaon’ny nosy aty Madagasikara afaka enim-bolana dia naroson’ny FCTKD (Fédération comorienne de taekwondo) ny fiadiana ho tompondakan’ny Taekwondo isam-paritr’izy ireo. Hotontosaina volana martsa izao noho izany ny fifaninana izay eo ambany fiahian’ny DTN (Directeur technique national), Maître Ahmed Abdallah.
Marihana fa taranja indray mandringa ao Comores ny Taekwondo manoloana ny tsy fahampian’ny atleta « cadre ». Nanamafy ny tompon’andraikitra fa maro ireo mpikambana ao amin’ny federasiona manana « ceinture noir » saingy tsy manao Taekwondo intsony izy ireo. Hatramin’ny taona 1991 no nisian’io taranja io tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny nosy saingy tsy nety nanana ny toerany izany.
Noho izany dia hezaka mila atao ny fampiakarana indray ireo mpanazatra eo amin’ny tatami hoy ny DTN.
