ActualitésTsidika

Fanolorana fitaovana ho an’ireo mpandraharaha any Mahajanga

Sehatra mampandroso manerana ny firenen-drehetra ny resaka fandraharahana. Efa manomboka miparitaka ihnay koa izany raha ny eto Madagasikara manokana. Tsy mitaky fahaizana na diplaoma fa mitaky fahaiza-mitrandraka izay eo am-pelatanana kosa no tena fototr’izany. Amin’ny alalan’ny fandaharan’asa ODOF na ny Indostria manakaiky distrika no hanapariahana sy hampiroboroboana ny fandraharahana manerana ny nosy raha ny eto Madagasikara manokana. Hahafahana ihany koa manodina eo an-toerana, amin’ny alalan’ireo orinasa madinika sy salasalany, eny anivon’ny distrika tsirairay ny vokatra avy eo aminy. Ho fanohanana indrindra ireo mpandraharaha amin’ny sehatra jono sy ny ny agro-alimentaire mpamokatra ny « poisson fumé » sy mpanamboatra « gilet de sauvetages » ao Mahajanga dia nanolotra fitaovana ho azy ireo ny fanjakana. Miainga amin’ny eo am-pelatanana ary miezaka mitrandraka izany ho lasa avo no tanjon’ny fandraharahana. Tsy mifidy fa afaka miantsehatra amin’izany avokoa ny olon-drehetra. Raha mandraharaha ka samy iezaka isika dia mety ho foana ny tsy fananan’asa eto amin’ny firenena ka hitondra laza ny firenena izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire