ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nahazo fanomezana ny trano famakiam-boky ao amin’ny EPP Ankadikely

Nanome fanomezana entina hanatsarana ny trano famakiam-boky ho an’ny EPP Ankadikely, ny avy amin’ny fikambanana “Inner Wheel Club”. Ny faran’ny herinandro teo no tonga nanolotra boky maro samihafa, mifanaraka amin’ny fandaharam-pianarana, ho an’ny sekoly ny fikambanana,

“Hanampy betsaka amin’ny fanitaram-pahalalàn’ireo ankizy amin’ny sokajim-pampianarana ambaratonga voalohany sy faharoa no anton’izao faomezana izao. Izany tolotra izany moa izay nampiarahana tamin’ny fanomezana »étagères » izay miisa dimy, ahafahana manatevina sy manampy ny sekoly amin’izay efa misy ao amin’ny trano famakiam-boky ity” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana.

“Zava-dehibe tokoa ny fiaraha-mientana ho an’ny tombotsoa iombonana tahaka izao. Izany no hisaorana hatrany ireo fikambanana sy mpiara-miombon’antoka, izay  miara-misalahy amin’ny kaominina amin’ny fanampiana sy ny fikatsahana mandrakariva izay hahatsara ny lafin’ny fampianarana eto amin’ny kaominina” hoy ireo avy amin’ny kaominina.

Tsy vitan’olona samirery tokoa ny fampandrosoana eo amin’ireo karazana sehatra maro mandrafitra  ny kaominina iray. Ilaina mandrakariva ny fifanomezan-tanana sy ny fifanohanana hahafahana mampandroso sy mamaly ny tombotsoa iraisana ho an’ny rehetra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire