Ohabolana : Izay adala no toa an-drainy
Ohabolana rentsika matetika eny anivon’ny fiaraha-monina eny izy ity. Inona anefa no tena hevitra fonosin’izany ? Ny tiana ambara amin’izany dia hoe mila miezaka ireo zanaka hanao tsara sy mihoatra noho ireo ray aman-dreniny avy. Amin’ny lafiny rehetra izany zavatra izany fa indrindra amin’ny lafiny farim-piainana. Etsy andaniny, efa miezaka tokoa ireo ray aman-dreny amin’ny fampianarana sy ny sisa. Etsy ankilany kosa dia mila miezaka sy manao izay fara hery ireo ankizy sy tanora mba hanao tsara kokoa sy hanana fiainana tsara kokoa hatrany hatrany.
