ActualitésTsidika

Fanabeazana : Nahazo solosaina ny mpianatry ny Lycée Moderne Ampefiloha

Nisitraka solosaina « core i5, 10ème generation » avy amin’ny firenena Indianina ny mpianatry ny Lycée Moderne Ampefiloha. Miisa 50 ireto fanomezana, izay ho entina hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fanabeazana.

« Tanjona ny hahaizan’ireo tanora mpianatr’io sekoly io mifehy ny resaka kajy mirindra sy ny teknolojia vaovao sy avo lenta. Tena ilaina tokoa mantsy izao amin’izao vanin’andro izao » hoy ny masoivohon’i Inde, Abhay Kumar. « Tena ilain’ny mpianatra eny amin’ny lycée tokoa ny mahafehy ny teknolojia, mba hahatronga azy ireo ho tia karokaroka dieny izao. Manamora ny fiainana sy ahitana tombony betsaka mantsy ny fahafehezana iznay indrindra eny amin’ny anjerimanontolo » hoy i Mirana, mpampianatra eny amin’ny lycée.

Lalana iray azo hampiakarana ny lentan’ny fanabeazana ny fampiasana ny hairaha. Mahatonga ireo ankizy ho tia karokaroka mantsy izany. 

Laisser un commentaire