Gabon : Voatendry ho filohan’ny tetezamita ny jeneraly Brice Oligui Nguema
Efa nandritra ny 55 taona i Gabon, izay firenena manan-karena « pétrole », no nentin’ny fianakaviana Bongo. Tao anatin’izany nefa dia tsy nitsahatra nanakiana io fianakaviana io ireo mpanohitra noho ny raharaha kolikoly izay manjaka ao amin’ny firenena.
Manoloana izany nanapa-kevitra ny hantsahatra ny fitondran’io fianakaviana io ireo miaramila mpanongam-panjakana (putschiste). Nalàn’izy ireo tamin’ny toerany ny filoha Ali Bongo, izay nitondra nanomboka ny taona 2009. Raha ny tatitra dia efa nanendry ny filohan’ny tetezamita sahady ireo mpanongam-panjakana.
Ny jeneraly Brice Oligui Nguema no voafidy tao anatin’izany. Tsy nitsipaka ho filohan’ny komitin’ny tetezamita sy ny famerenana amin’ny laoniny ny andrim-panjakana ny tenany raha ny fanambaran’ny manamboninahitra iray nanatrika izany. Mbola tsy fantatra kosa ny faharetan’io fitondrana tetezamita io.
