Etats-Unis : Tovolahy iray no namono ny ray aman-dreniny sy ireo iray tampo taminy
Tovolahy 18 taona antsoina hoe Cesar Olalde no naka basy ary nitifitra ny ray aman-dreniny sy ireo iray tampo taminy ary nitaritarika ny razan’izy ireotao amin’ny toeram-pidiovana. Tao Nash, ao Texas no niseho ity tranga ity. Ireo mpiray vodirindrina azy ireo no nahare ny feom-basy ka niantso ny manam-pahefana. Rehefa tonga tao an-toerana ireto farany dia tsy nety namoha ny trano ilay tovolahy, niaiky heloka ilay tovolahy avy hatrany izy saingy nandrohona fa hamono ten ka fandaminana no nataon’ireo polisy.
Taorian’ny ora vitsivitsy nifampiresahana dia nanolotena ilay tovolahy. Rehefa tafiditra tao an-trano kosa ireo polisy dia razana 4 no novantanin’izy ireo. Nilaza kosa i Cesar Olalde fa resi-lahatra izy fa mpihinan’olona ny ankohonany ka nahatohitra izy sao hihinana azy izy ireo. Efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana moa io tovolahy io.
