Talata Volonondry : Mandray andraikitra amin’ny fanadiovana ny tanàna ny mponina
Nisy ny fanadiovana faobe nataon’ny mponina tao Talata Volonondry. Antoky ny fahasalaman’ny iray tanàna tokoa ny fanajana izany, hany ka tena samy nandray andraikitra ny mponina.
« Ny fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana ny tanàna tahaka izao no tena ilaina. Rehefa madio ny tanàna dia samy salama ny mponina ary afaka ny hampivoatra ny tenany sy ny firenena » hoy i Fetra, manam-pahaizana mikasika ny fandrosoana lovainjafy. « Tsara raha samy saro-piaro amin’ny fahadiovana ny rehetra. Miainga amin’ny isan-tokantrano izany. Miaro amin’ny tsy hisian’ny valan’aretina tokoa mantsy izany » hoy i Randrianirina Hobiherisaona, ben’ny tanàna ao Talata Volonondry.
Hita ho tena mandray andraikitra tokoa ny mponina ao Talata Volonondry. Mahatsapa ny maha zava-dehibe ny fahadiovana izy ireo izay isan’ny mampitombo ny mpitsidika ny tanàna.
Toky Randriamanalison
