ActualitésTsidika

Masindray : Mitohy ny fanazaran-tena ho an’ireo mpankafy baolina kitra

Mitohy hatrany ny fanazaran-tena ataon’ny Akademia Buffalo Football ao Masindray. Isaky ny alarobia amin’ny 2 ora hariva no anaovana izany eny Ankianja Batou Masindray.

« Fampivondronana ireo mpilalao sy mpankafy baolina kitra ity vondrona iray ity. Mpanabe efa za-draharaha no hitarika ny fanazaran-tena sy ny fanabeazana ireo tanora sy ankizy ireo » hoy ny avy ao amin’ny Akademia Buffalo Football. « Misy zaza latsaky ny 8 taona ato ary misy ny sokajy ho an’ireo mahery ny 17 taona. Amporisihana ireo ankizy sy tanora mpankafy baolina kitra mba ho lasa lavitra hatrany » hoy hatrany izy ireo.

Marihina fa misy sokajy manaraka ny taona rehetra ao amin’izy ireo. Sehatra tsara azo hitaizana ny tanora tsara ny fanatanjahantena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire