ActualitésTsidika

Antsohihy : Nisokatra omaly ny fanamarihana ny faha-62 taonan’ny fahaleovantena

Efa manomboka ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena ao Antsohihy. Natomboka omaly tamin’ny 06 ora maraina tamin’ny fananganana ny fanevam-pirenena izany, niaraka tamin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny olom-pirenena nazoto nanokatra ny fanamarihana ny faha-62 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. Notohizana tamin’ny diabe niainga teo amin’ny tokotany malalaky ny faritra ny hetsika fanokafa ary nitohy nihodidina ny tampon-tanàna.

Nandritra izany dia nanentana ny ben’ny tanàna Nasiry Ali fa efa tokony hanomboka ny fananganana ny sainam-pirenena ny isan-tokatrano sy ny toeram-piasana rehetra. Fanombohana ihany koa iny hetsika nato omaly iny hoy izy ireo fa mbola maro ireo hetsika ho entina hanamarika ny faha 62 taonan’ny fiverenan’ny fahaleovantena hatramin’ny 26 jona.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire