Toe-karena : Hampiroboroboana ny teo-karena any amin’ny tontolo ambany vohitra
Noho ny fiakaran’ny vidin’ireo vokatra ilaina andavan’andro sy ny fidangan’ny vidim-piainana dia misedra olana hafa ihany koa ireo mpamboly sy ireo tantsaha maro. Miakatra ihany koa manko ny vidin’ireo zezika sy ireo fitaovana ilaina amin’ny fambolena ary ireo masom-boly izay andrin’iny famokarana. Mihena araka izany ny vola miditra satria mihena ihany koa ny vokatra izay mety tsy hisy akory izany amin’ny fotoana sasany.
« Nandritra ny ovid-19 ka hatramin’izao dia mbola olana aminay foana ny mahakasika ny fividianana masom-boly sy zezika sy ny fanafody raha sendra marary ny voly. Miakatra isan-taona ny vidiny ary miteraka olana lehibe amin’ny famokarana », hoy i Michel, mpamboly avy any Imerintsiatosika.
« Ho fanampiana ireo tantsaha ireo dia nankatoavin’ny filan-kevitry ny minisitra ny fampiasana ilay vola 4 lavitrisa ariary hividianana zezika sy masom-boly ho ampiasain’ny tantsaha. Miisa 42 906 ireo tantsaha hisitraka izany zezika sy masom-boly izany ary ny 46% amin’izy ireo dia vehivavy na fikambanam-behivavy. Hahazo ny anajrany avokoa ny faritra 20 misy eto Madagasikara », hoy ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana.
Ankoatra ny fahalafosan’ny vidin’ny fikarakarana ny famboleana dia miantoka ny fahatomombanany ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Mila ampahafantarina ireo tantsaha sy ireo minia manao ireny karazana tavy ireny ihany koa fa ny hataony ihany no miantoka ny famokarana tsara ho azy ireo.
Miora Raharisolo
