ActualitésTsidika

Nahazo vola hamitana ireo tetik’asa sy velirano ny fitondram-panjakana

Nihaona tamin’ny Tale Jeneralin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), Kristalina Georgieva, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 23 septambra 2021 tao amin’ny foiben’ny FMI tao Washington DC. Ny Filohan’ny Repoblika Malagasy no filoha voalohany noraisin’ity Tale Jeneralin’ny FMI ity taorian’ny valanaretina covid-19.

« Nahazo famatsiam-bola mitentina 332 tapitrisa dolara na «allocation spéciale non remboursable» i Madagasikara entina hanarenana ny firenena taorian’ny covid-19 » hoy ny avy ao amin’ny fiadidina ny Repoblika. « Entina hanatanterahana ireo tetik’asam-pampandrosoana sy ny velirano no ampiasaina ity vola ity ka isan’ny hisitraka izany ny sehatry ny fotodrafitrasa, ny fampiasa ny angovo azo havaoizina, ny fiahiana ara-tsosialy, ny rano indrindra ny Atsimon’ny Nosy sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo » hoy ny Filoha Rajoelina Andry nandritra izany.

« Ireo tetik’asa tsy mamaha ny olan’ny vahoaka eny ifotony ireo foana no hirahiraina sy hisehosehoana etsy sy eroa, mila manova paik’ady isika raha tena te handroso marina tokoa fa tsy izay efa hita ho tsy ihany no atao » hoy i Romy, tanora avy ao amin’ny antoko mpanohitra. Tsy vao izao tokoa isika no nahazo fanampiana avy any ivelany kanefa toa tsy hita izay fiovan’ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny. Hantenaina fa hampandroso tokoa ve ireo tetik’asa kasain’ny fitondram-panjakana hovitaina ireo ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire