Kaominina Antananarivo Renivohitra : Ho diovina sy alana ireo fako mivangongo
Raha ny zava-misy dia efa mampitaraina ny mponina ny fivangongon’ny fako manerana ny Renivohtr’Antananarivo. Noho izany dia miara-miasa amin’ny rehetra ny Kaominina Renivohitra Antananarivo amin’ny fanaisorana ny fako sy ny fanadiovana ny tanàna. Manoloana izany indrindra dia manampy tosika ary nanolo-tanana ny kaominina ny Ministeran’ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana ka hanolotra solika ho ampiasain’ireo fiara be mpitatitra fako.
« Tanàna iaraha-manana ny tanan’Antananarivo ary manana adidy isika rehetra amin’ny fandiovana azy. Isika rehetra ihany koa dia samy maniry ny hiaina anaty tanana madio lavitry ny loto. Izany indrindra no irotsahan’ny Ministera an-tsehatra amin’ny fanadiovana ka hanolorana fanampiana ny Kaominina. Ho fanampiana dia hanolotra solika ho an’ireo fiara be mpitatitra fako eto Antananarivo ny avy eto amin’ny Ministeran’ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana » hoy ny avy amin’ny Ministera
« Efa be loatra ny fako mivangongo eto Antananarivo. Mahamenatra izany satria dia ankoatra ny maha tanana Renivohitra an’Antananarivo dia izy ihany koa no Rehivohitr’i Madagasikara. Ilaina noho izany ny fanomezan-tanana avy amin’ny rehetra ho fanadiovana sy ho fanatsarana azy mba ho tonga modely indray ity tanana ity. Ankasitrahana feno ny Ministera izay nanolo-tanana sy nandray andraikitra ka vonona ny hiara hiasa amin’ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra
Zava-misy tsy takona afenina intsony ny loto eto an-drenivohitr’Antananarivo ary maro ny vokatra ratsy aterak’izany raha tsy hilaza hafa-tsy ny aretin’ny fivalanana sy ny aretin’ny taovam-pisefoana. Ny fahadiovana kosa anefa dia tsy tokony hiandrasana ny mpitondra fa adidin’ny olom-pirenena tsirairay izany. Rehefa tsy mandoto dia efa manadio.
Miranto Andriharisoa
