Alasora: Notoloran’ny fikambanana Kolotanana aron’ankajo ny modelin’ny fanadiovana
Lehilahy iray antsoina hoe Martin, ao amin’ny fokontany Ambohitanety, kaominina Alasora, no notoloran’ny fikambanana Kolontanana aron’akanjo, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha ny voalaza, modelin’ny fanadiovana ao an-toerana ity lehilahy ity ka mendrika ny tolorana izany.
“Tao anatin’ny hetsika izay nataon’ny fikambanana teny anivon’ireo fokontany mandrafitra ny kaominina Alasora no nanomezana ity lehilahy iray izay mpanadio ety amin’ny fokontany ny aron’akanjo entiny manatanteraka izany asany izany sy entina ihany koa ankaherezana azy amin’ny asany” hoy ireo avy ao amin’ny fikambanana.
“Anisan’ny modely amin’ny fanadiovana I Martin, izy no manadio sy mandroaka ireo fako ety amin’ny manodidina. Mendrika halain-tahaka ary tsy tokony hiandry azy anefa ny mponina vao hahalala fahadiovana” hoy I Saholy, mponina ao Ambohitanety.
Ny fikambanana Kolotanana moa raha tsiahivina dia fikambanana iray ao amin’ny kaominina Alasora, izay manentana sy misahana ny resaka fanadiovana sy ny fahadiovana ao an-toerana.
Manitra Ramanantsoa
