ActualitésTatitra

Mayotte : Tafapetraka ny vatofototra voalohan’ny lisean’ny asa ao Longoni

Tetikasa iray lehibe ao Mayotte amin’izao fotoana ny fanorenana ny lisean’ny asa ao Longoni. Efa tafapetraka ny vatofototrin’ny toeram-pianarana ary solotenam-panjakana, solotenan’ny fanabeazam-pirenena ary mpanao maritrano sy orinasa maro no tonga nanatrika izany.

Misahana velan-tany 20 000 metatra toradroa io trano fianarana hatsangana io. Trano 22 isa no kasaina hajoro amin’izany miaraka amin’ny trano honenan’ireo mpianatra sy toerana maitso. Mpianatra 1 800 isa kosa no handrasana ao amin’io sekoly io rehefa vita izany.

Vinavinaina mahatratra hatramin’ny 99,5 tapitrisa Euros ny famolavolana io tetikasa goavana ao Mayotte io.

Laisser un commentaire