SocialTatitra

France : Zazavavy 14 taona, maty noho ny fianjerana avy eny ambony tendrombohitra

Zazavavy iray 14 taona, teratany  espagnol, no maty ny alatsinainy teo, rehefa nianjera teo ampanaovana « randonnée » niaraka tamin’ny rainy, tany amin’ny tendrombohitra tany Arette, Pyrénées-Atlantiques. Avy any amin’ny aavo 1000 metatra, miala kely ny lemak’i Séguite, no nitrangan’ny fianjerana, izay nitarika ny fahafatesan’ity tovovavy ity, raha ny fanazavana nataon’ireo mpamonjy voina any an-toerana. Toerana feno vatovato, ary anisan’ny tena mampidi-doza ity nampisolifatra ity vehivavy ity. Sarotra ny mihanika izany toerana izany ho an’ireo mpanao dia an-tongo-dava, saingy tsy nahasakana ity raim-pianakaviana ny hamakivaky izany. Ity fianakaviana ity moa dia tonga tao an-toerana mba hiala sasatra kanefa izany tra-doza izao.

Laisser un commentaire