ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Jiolahy lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana

Poa-basy no nanaitra ireo mponina teny amin’ny manodidina an’ny faritr’i Manarintsoa Sabotsy Namehana, ny alin’ny sabotsy teo. Jiolahy iray no lavon’ny balan’ny polisy avy ao amin’ny commisariat central avaradrano, rehefa nisy ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta, araka ny voalaza.

« Rehefa nahazo fampitambaovao ny polisy sabotsy namehana dia nametraka ny velam-pandrika rehetra araka ny loharanom-baovao tamin’ny tsara sitrapo. Rehefa napetraka ny velam-pandrika dia nisy tokoa ny andianjiolahy miisa telo mitam-piadiana. Tokony ho tamin’ny 10ora sy fahefany alina, raikitra ny fifa enjehana sy fifampitofirana » hoy ny avy amin’ny polisim-pirenena.

« Lavo tamin’izany ny jiolahy iray ary tratra teny aminy ny basy pistolet automatique nampiasainy. Raha tafatsoaka ary mbola karohina kosa ny roa namany. Ilaina foana ny fifanampiana sy fifampitana vaovao indrindra amin’izao fotoana, mila mailo amin’ny ratsy tsy kely lalana » hoy hatrany ny avy amin’ny polisy.

Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ary anisan’ny miha-mahery vaika ny fisehoan’izany. mampametra-panontaniana ny maro moa ny hoe, avy aiza ny fiavian’ireo fitaovam-piadiana ampiasain’ireo olon-dratsy.

Laisser un commentaire