SocialTatitra

République Tchèque : Vehivavy iray bevohoka nifamadika tamin’ny vehivavy hafa ka afa-jaza

Zava-doza no niseho tao amin’ny hopitaly iray tany Prague, ny 25 martsa teo. Vehivavy iray nankao amin’ny hôpital universitaire de Bulovka, izay hanatanteraka fisafoana no niharan’ny fanalan-jaza, noho ny fahadisoana nataoan’ireo tomponandraikitra. Teratany asiatika ity vehivavy ity ka nifandiso tamin’ny vehivavy hafa iray izay mitovy fiaviana taminy, izay hanatanteraka fanalan-jaza (curettage) tao amin’ny hopitaly ihany koa. Ny curettage moa dia fandidiana atao hanalana ny tranon-jaza raha misy ny olana amin’ny fitondrana vohoka. Ilay vehivavy iray kosa mitondra vohoka efa-bolana ary salama tsara kanefa nodidiana hialana amin’izany. Trangan-javatra vokatry ny fitandremana no niseho tao amin’ity toeram-pitsaboana momba ny vehivavy sy ny fiterahana ity. Fandikan-dalàna goavana ary tsy fanajana ny fepetra anatiny no nataon’ireo mpiasa voakasik’izany. Ao anatin’ny fanonerana ny tranga-javatra ity ireo tomponandraikitra. Etsy ankilany, milaza ireo mpisehatra ao amin’ity hopitaly ity fa noho ny tsy fifankazahoana teo amin’ny fiteny no antony nahatonga ny loza.

Laisser un commentaire