ActualitésTsidika

Ambohimanga rova : Andalana ho vita ny lalana mampitohy an’Ambohitrandriamanjaka sy Ambohimarina

Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana eny amin’ireo faritra ao amin’ny kaominina Ambohimanga rova. Amin’izao fotoana izao, efa ho vita ny lalana mampitohy an’Ambohitrandriamanjaka sy Ambohimarina.

« Hafa mihitsy ny lalana tsara. Hisaorana ny tomponandraikitra nitondra fanamboarana ity lalana ity satria efa hita tokoa ny fahatsarany na tsy mbola vita hatramin’ny farany aza izany » hoy ny Harisoa, mponina ao Ambohimanga rova. 

« tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana eny ifotony ny fanamboaran-dalana. Io no hitarafana ny fandraisana andraikitra voalohany. Mila entanina anefa ny mponina sy ny mpampiasa azy ireny amin’ny fikojana azy satria ezaka lehibe no ataon’ny tomponandraikitra vao tontosa izy ireny » hoy i Tefy, mpianatra momba ny fampandrosoana eny ifotony.

Tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny lalana ary faly ny mponina rehefa tsara ny lalana. Ilaina fikojana sy fikolokoloana anefa izy ireny mba haharitra, indrindra ho an’ny taranaka.

Laisser un commentaire