SocialTatitra

Finlande : Zaza tsy ampy taona telo no naratra vokatry ny fifampitifirana tao amin’ny sekoly iray

Nitrangana fitifirana, omaly talata, tao amin’ny sekoly iray ao Vantaa, any amin’ny faritra avaratr’i Helsinki, renivohitry ny firenena Finlande. Raha ny tatitra voalohany navoakan’ireo polisy any an-toerana, dia zaza tsy ampy taona telo no naratra, araka ny fanazavana. Olona iray nampiahiahy kosa no nosamborina avy hatrany ary notanana ao amin’ny polisy. Tsy fantatra mazava ny antony nitrangan’ity fitifirana ity. Etsy ankilany kosa noferana ny fivezivezen’ireo mponina manodidina ny faritra nisehoan’izany. Ity sekoly ity moa izany any ambanivohitr’i Helsinki no misy azy, ary misy mpianatra manodidina ny 800 isa ary mpiasa sy mpandraharaha 90.

Laisser un commentaire