ActualitésTatitra

Seychelles : Mikendry hijinja 1 000 tapitrisa dolara avy amin’ny fizahan-tany ny governemanta amin’ity taona ity

Nanambara ny sekretera jeneralin’ny fizahan-tany ao Seychelles, Sherin Francis fa mikendry hijinja 1 000 tapitrisa dolara avy amin’ny sehatry ny fizahan-tany ny governemanta amin’ity taona 2023 ity. Mila hazonina na mihoatra ny isan’ny mpitsidika tamin’ny taona 2022 noho izany ny isa amin’ity taona ity raha ny fanamafisany.

Mpitsidika 330 000 isa no kendren’ny governemanta ao anatin’izany tetikasa izany. Efa nisy ny dinika nataon’ny tompon’andraikitra tamin’ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany fa tokony handany 300 dollars isan’andro ireo mpitsidika. Manoloana izany dia hisy ny fanatsarana ny kalitao, fanampiana ny tolotra, fitandrovana ny mpanjifa ary fanamaroana ny vokatra.

Laisser un commentaire