ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Lloyd’s List, gazety nivoaka tamin’ny 1737 ka hatramin’izao

Anisan’ireo gazety (revue) mbola tsy tapaka nivoaka hatramin’ny nisiany tany amin’ny taona 1737 tany ny Lloyd’s List. Namoaka vaovao isan-kerinandro momba ny fitaterana an-dranomasina tao Londres izy io tamin’izany.  Afohezina hoe « The List » io gazety io. I Edward Lloyd tompon’ny « Lloyd’s Coffee House » ao amin’ny Cité de Londres no namoaka azy.

Mbola mitohy ny asan’io gazety ireo amin’izao fotoana. Lasa mivoaka isan’andro izy, ary efa nahatratra 60 850 ny nomeraony tamin’ny taona 2013 teo. Lasa miraikitra fiantohana an-dranomasina, angovo an-dranomasina, logistika, varotra iraisam-pirenena ary lalàna kosa izy. Efa miparitaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ny Lloyd’s List ary mivoaka an-tsoratra sy an-tranonkala.

Laisser un commentaire