ActualitésTsidika

Ankadinandriana : Hanao valandresaka sy fanehoana mahakasika ny Kung-Fu Wisa ireo tompon’andraikitra

Hisy ny valandresaka sy fanehoana mahakasika ny Kung-Fu Wisa ataon’ireo tompin’andraikitra mahakasika izany ny zoma 09 septambra ho avy izao. Efa nisy moa izany tany amin’ny toeran-kafa, fa natao ho an’ireo mponina Avaradrano indray ity hetsika manaraka ity, ho an’ireo izay te hahafantatra bebe kokoa ny atao hoe Kung-Fu Wisa. Ao amin’ny kianja Ankadinandriana no hanatanterahana izany manomboka amin’ny 09 ora maraina.

Lohahevitra horesahina amin’izany moa ny fotom-pisainana Wisa, fotom-pampianara Wisa, filozofia Wisa ary hisy ihany koa fampianara izay hitondra fahombiazana maro. Izany hetsika izany moa dia entina hanandratana hatra ny ara maro seho.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire