Talata Volonondry : Mitohy hatrany ny ezaka ara-potodrafitr’asa
Nijery ifotony ireo fotodrafitr’asa ho atao ao amin’ny kaominina ny avy ao amin’ny governoran’ny Faritra Analamanga. Nisy ny fanamboaran-dalana natao izay nomen’ny faritra Analamanga fampitaovana.
« Tena mankasitraka ny avy ao amin’ny Faritra Analamanga tamin’ny fanampiana anay eto Talata Volonondry. Mitohy hatrany ny ezaka ho fanatsarana ny tanàna » hoy i Randrianirina Hobiherisaona, ben’ny tanàna ao Talata Volonondry. « Mankasitraka indrindra anareo izahay mponian eto. Mino izahay fa mbola ho asiana vovo-bato ireny lalana ireny. Ahiana ho simba vetivety mantsy izany raha ho avy ny orana » hoy i Fanomezana, mponina ao Talata Volonondry.
Tsara raha vahaolana maharitra foana no atao mba hisian’ny fampandrosoana maharitra. Hirariana hitohy hatrany ny ezaka ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampandrosoana.
Nicole Rafalimananjara
