ActualitésTatitra

Comores : Efa tonga ao an-toerana ihany koa ny M-Vola

Efa azo atao ny mandefa vola avy any Comores maketo Madagasikara amin’ny alalan’ny Mvola. Natolotry ny tale jeneraly ny Telco Sa, Christophe Olivier tao Moroni niaraka ny diaspora malagasy vao tsy ela akory izany tolotra vaovao izany.

Natao hanamorana ny fandefasana vola eo amin’i Comores sy Madagasikara io tolotra io hoy i Christophe Olivier ary hanampiana ireo tanora avy ao an-toerana mandrato fiarana eto amin’ny nosy. Efa 18 volana kosa izy sy ny ekipany no nikaon-doha tamin’ny fanatanterahana io tolotra io raha ny fanamafisany.

Nilaza kosa i Rachad Aboubacar, tompon’andraikitra ao amin’ny Telma fa isany anjara biriky entin’izy ireo amin’ny adiny ny Bcc (Banque centrale des Comores) io tolotra io. Raha tsiahivina dia mikendry ny fiadiana amin’ny famotsiam-bola sy ny fiantohana ny filaminana ara-bola (sécurité financière) izy ireo.

Laisser un commentaire