Dépêches

Toliara: Hiverina ny ezaka famatsiana rano amin’ireo tanàna manodidina

Dépêche 27 avril, 15h, Efa ny taona 2021 no efa niditra tamin’ny dingana faharoa ho famatsiana rano madio ho an’ny Toliara ny Ministera. Nisedra olana anefa ny asa ka izao hiverina hitohy izao indray. Olona miisa 70 000 no hisitraka rano fisotro madio amin’ity tetik’asa ity. Ity dingana faharoa dia izay hamatsy rano madio ihany koa ireo tanàna manodidina raha efa vita ny famatsiana ny rano ho an’ny tanànan’ny Toliara. Anatin’ny fametrahana fantson-drano araka izany ireo orinasa manatanteraka ny asa ka tsy maintsy misy ny fifanarahana amin’ireo mpanatanteraka ny tetik’asa PADEV amin’ireo amphana-dalana mety ho vokasiky ny fametrahana ny fantson-drano.

Laisser un commentaire