Ankadikely Ilafy: Mila fijerena ny rano vaky ao Ambohitrarahaba
Mila fijerena maika sy fanamboarana ny rano vaky ao Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy. Efa ela no nisian’ilay fahavakisana fantsona mpitondra rano ao an-toerana ary ahiana ny fihitaran’ny fahasimbana haterak’izany, raha ny voalaza.
« Efa natao ny fampilazana sy ny antso avo fampahafantarana ny tompon’andraikitra mahakasika ity rano vaky ity fa tsy mbola nisy namaly ny antso hatramin’izao. Ilay rano anefa mihamitobaka ary mameno ny arabe » hoy i Hasina, mponina ao Ambohitrarahaba.
« Ny tena olana raha vao tsy misy ny fandraisana fepetra dia ilay lalana ho simban’ny riaka. Raha ny tsikaritra dia efa mihitatra isan’andro ilay lalana mihotsaka noho ilay riaka. Mafy loatra ny tosika entin’ilay rano ka hanaovana antso avo hisorohana ny loza sy ny fahasimbana samihafa » hoy hatrany ny fanazavana.
Miandry ny fijeren’ny tomponandraikitra ity fahavoazana ity araka izany ny mponina ary manantena ny fitondrana fanamboarana izany.
Manitra R.
